Indostria eto Madagasikara : tsy ampy tosika avy amin’ny fanjakana

0

Na misy aza ny dingana nataon’ny mpandraharaha amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny indostria eto Madagasikara, tsy ampy ny tosika avy amin’ny fanjakana raha ny voalazan’izy ireo. Mandeha ila ihany ny fampivoarana io sehatra, na amin’ny fanampiana ara-bola, na araka ny lalàna, na amin’ny dingana amin’ny fikarakarana taratasy samihafa.