IVANDRY

0
IVANDRY

Fanatanterahana didy fampisamborana navoakan’ny fitsarana manokana mitsara ny raharaha fanondranana andramena no nitranga teny Ivandry ny hariva teo. Raha ny loharanombaovao azo, mpandraharaha mpanondrana andramena avy any amin’ny faritra Atsinanana, antsoina hoe MAMINIRINA Jean Eddy, no voasambotra teny an-toerana rehefa navoaka tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana. Ny taona 2017 raha tsiahivina no namoahan’ny BIANCO avis de recherche ity mpandraharaha ity. Nijanona fotoana naharitra tany ampitan-dranomasina ny tenany talohan’izao nisamborana azy izao. Tsy mbola nisy ny fanampim-baovao ofisialy navoakan’ny polisim-pirenena izay nanao ny fisamborana. Ho taterina aminao anatin’ny fampahalalmaboavo hatrany ny mikasika ny raharaha.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici