JIRAMA: Mpanolon-tsainan’ny Filoham-pirenena no notendrena ho filohan’ny filan-kevim-pitantanana vaovao.

0

Voatendry ho filohan’ny filakevim-pitantanana araka ny didim-panjakana nivoaka tamin’ny filakevitry ny minisitra tamin’ny Alarobia teo i Hyacinthe Todimanana Befeno, mpanolotsainan’ny filohan’ny Repoblika. Raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra nisahana ny ministeran’ny angovo teo aloha, tsy manana programan’asa misahana manokana ny angovo i Madagasikara ary olana any amin’ny fototra no misy eo anivon’ny orinasa Jirama.