Jly RAVALOMANANA Richard : tra-tehaky ny mpitandro filaminana ireo nikasa hamono azy

0

Lehilahy miisa 6 nikasa ny hifofo ny ain’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandariamariam-pirenena no voasambotry ny vondrotobi-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena Analamanga sampana misahana ny fikarohana heloka be vava. Ankoatra io, jiolahy miisa 4 izay nikasa hanafika mpandraharaha iray teto Antananarivo ihany koa no tra-tehaky ny mpitandro filaminana.