Kabary 26 jona : nomem-boninahitra ny foloalindahy

0

Tsy tahaky ny isan- taona, nomena ny minisiteran’ny fiarovam- pirenena ny fanaovana ny kabary ofisialy ho an’ny vahoaka malagasy izay fanaon’ny filohampirenena amin’ny maha fetin’ny foloalindahy ny fetin’ny fiverenan’ny fahaleovantena Malagasy. Nambaran’ny minisitry ny fiarovam- pirenena tao anatin’ izany fa mila ny fanomezan- tanana avy amin’ny tsirairay izy ireo ho fanatanterahana ny fanamby.