Kaly tsinjo : hozaraina sakafo maimaim-poana ireo marefo

0

Ho tanterahina eto an-drenivohitra, any Androy sy ireo faritra hafa any atsimon’ny Nosy, ary any Toamasina sy Fianarantsoa ny tetik’asa Kaly tsinjo hanomezana sakafo maimaim-poana ho an’ireo sokajin’olona marefo mandritra izao hamehana ara-pahasalamana izao. Hisy kosa ny famerenan’ny ministeran’ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy indray ireo olona sokajiana ho marefo ireo eny anivon’ny fiaraha-monina aorian’ny fandalovan’ny valan’aretina coronavirus.