Kaominina Ivato : nisitraka fitaovana fanadioavana ny tanàna

0

Tsy manakana ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny tsy fitoviana firehana ara-politika. Porofon’izany ny fitsidihin’ny filohan’ny Repoblika ny kaominina Ivato. Notolorana fitaovana vaovao ahafahana mandroaka fako ny kaominina androany. Nandritr’izany ihany koa no nilazan’ny filoha ny hananganana kianja manarapenitra sy gymnase ao amin’ny kaominina Ivato.