Kaominina Mahitsy : delestazy hatrany amin’ny hopitaly

0

Lasibatry ny fahatapahan’ny herinaratra maharitra ora maro ny hopitalin’i Mahitsy tao anatin’ny andro vitsy izao. Tsy mizotra araka ny tokony ho izy manoloana izany ny asa fitsaboana hoy ireo mponina, efa maro ihany koa ny fahasarotana sy ny loza aterak’izay raha ny fanazavana hatrany.