Kaominina Talata volonondry : nahazo toeram-pivarotana ireo mpivarotra koba

0

Fianakavina maro no mivelona amin’ny fanamboarana sy fivarotana koba eto amin’ny Kaominina Talata volonondry. Ho fanatsarana ny tanana sy ho fitsinjovana ny fahasalan’ny mponina sy ny mpanjifa, nohatsaraina ny fivarotana ary nananganana toeram-pivarotana tsirairay avy ireo mpivarotra.