Kaoperativa – Ambatondrazaka : nisitraka fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana

0

Koperativa mamorona milina ilaina @famokarana ambanivohitra iray ao Ambatondrazaka no nahazo fanohanana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, nandritra ny fandalovany tany an-toerana ny fiandoahan’ity herinandro ity. Isany nandray anjara tamin’ny tetikasa Fihariana ny Koperativa Haivy Lao io. Tanjon’ny fitondram-panjakana ny hanohanana hatrany ny tantsaha hampivoarana ny vokatra.