Karatany

0

Nahomby ny hetsika andrana amin’ny fanovana ny kadasitra ho karatany tamina fokontany 3 tao amin’ny kaominina Ampanotokana, Distrika Ambohidratrimo. Notontosaina nanomboka androany ny fizarana izany. Manodidina ny 4 000 no hisitraka karatany amin’ny alalan’ity hetsika ity. Etsy ankilany, notokanana androany ihany koa ny birao birao Ifotony Fananan-tany Ampanotokana.