Kolikoly (2013-2016): Raharaha amina faritra maro no mahavoarohirohy an’i Claudine Razaimamonjy

0

Fisiana kolikoly momba ny fandraharana manerana faritany maro no antony nisamboran’ny Bianco an’i Claudine Razaimamonjy tamin’ny Alatsinainy teny amin’ny kianjan’ny fanatanjahan-tena. Teo anelanelan’ny taona 2013 sy 2016 no nisian’ireo tranga ireo ka nampitaraina olon-tsotra sy rafim-panjakana maro. Atao fanadihadiana eny amin’ny Bianco Ambohibao io mpandraharaha io hatramin’ny andro nisamborana azy. Nikasa ny hiaro azy ny loholona Riana Andriamandavy saingy tsy noraisin’ny tomponandraikitra ao amin’ny Villa La Piscine.