Kolikoly ara-nofo : mahazo vahana eny anivon’ny sampam-pampianarana « Médecine »

0

Mahazo vahana eny anivon’ny anjerimanontolo indrindra ny sampam-pampianarana Médecine ny kolikoly ara-nofo ho takalon’ny famitana ny fianarana. Maro ny fijoroana vavolombelona momba izay araka ny fanadihadiana nataon’ny Transparency International. Manoloana ny firongatry ny tranga izay manaratsy endrika ny sampam-piofanana ary mampihemotra ny mpianatra handrato fahalalana, tsy hita ny fandraisana fepetra ataon’ny tomponandraikitra eny an-toerana.