Kolikoly eto Madagasikara : Mampiemotra ny mpiara-miombon’antoka.

0

Mampiemotra ny mpiaramiombon’antoka sy ny mpamatsy vola ny fanjakan’ny kolikoly eto Madagasikara araka ny nambaran’i  Benedito Sanchez, masoivohon’ny vondrona eoropeana , omaly nandritry ny andro natokana ho an’i Europe. Nohamafisiny ihany koa fa tsy mbola  mahafapoa ny vondrona Eropeanina ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana.