Komitin’ny fampihavanam-pirenena : Ho fantatra afaka 74 andro.

0

75 andro nanomboka ny Alatsinainy teo no fe-potoana ananan’ireo olona 9 misahana ny fandinihana ny antotan-taratasin’ireo hanolo-tena handrafitra ny komity vaovao hisahana ny fampihavanam-pirenena hanolo ny FFM. Hanana  solon-tena amin’izany avokoa ireo faritra 22. Mpikambana 11 fanampiny no ho tendren’ny filoham-pirenena.