Korontana eto amin’ny firenena : vokatry ny tsy fisian’ny lalàna mifehy ny antoko politika

0

Lalàna mifehy ny antoko politika, lalàna mifehy ny famatsiam-bolan’ny antoko, indrindra rehefa fotoam-pifidianana, isan’ny singa tsy mbola ampy amin’ny fametrahana ny fahamarinan-toerana ara-politika teto hatramin’izay izany hoy ireo fiarahamonim-pirenena mpanara-maso ny fifidianana. Zava-dehibe ao anatin’ny fametrahana ny fahalalahana sy ny demokrasia amin’ny firenena iray anefa izany, indrindra ny eto Madagasikara.