Lalana arrêt 30 – Vatobe : potika tanteraka ny lalana namboarina vao tsy ela

0

Tsy ampy herintaona izao no nanamboarana ny lalana eo anelanelan’ny arret 30 sy vatobe etsy amin’ny 67ha saingy potika tanteraka izany ankehitriny ary mampitaraina ny vahoaka. Maro ihany koa no miverina an-dalana vao mahatazana ny lavaka be. Ireo tratran’ny tsy maintsy ihany no mizotra iny lalana iny. Ankoatra ny mampiasa lalana, lasibatry ny voka-dratsy ateraky ny faharatsian’ny lalana eto an-drenivohitra ihany koa ireo toeram-pisakafoana manamorona ny arabe.