Lalana eo Ambodivona : amboarina hatao rarivato

0

Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ary hahritra 90 andro ny fanamboarana ho « pavé » ny
Lalana eo Ambodivona. Misy ny lamina napetraka mikasika ny fahatapahan’ny lalana sasan-tsasany
mandritry ny fanamboarana. Etsy ankilany, hamboarina ihany koa ny lalana eo amin’ny Rasalama
mankany Mahazoarivo iny sy ny lalana Tsimbazaza-Ankadilalana.