Lalàna hifehy ny serasera : tontosa ny tatitra ampahibemaso ny volavolam-panitsiana

0

Tontosa androany ny tatitra ampahibemaso ny fakan-kevitra isam-paritra momba ny fanitsiana ny lalàna hifehy ny serasera eto Madagasikara. Teboka 9 lehibe no nisongadina anatin’izany ka nampidirina avokoa ny fanamarihan’ireo mpisehatra amin’ny gazety sy haino aman-jery nandritra ny atrikasam-paritra.