Lalana « HYDROCARBURES » : notokanana androany

0

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany ny lalana HYDROCARBURES. Lalana izay miala eo Antanimena ny ampahany, mandalo amin’iny Alarobia iny ary mivoaka any Tsarasaotra. Fiarahamiasa 3P na Partenariat Public Privée no nanantontosana ny asa, ary vola mitentina manodidina ny 10 miliara ariary no nanantanterahana ny fanamboarana.