Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany : teboka 3 no hasiam-panavaozana

0

Tsy azo ihodivirana ny fanavaozana ny lalàna hifehezana ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Io raha fintinina ny fanehoan-kevitry ny praiminisitra lehiben’ny governemanta nandritra ny fanokafana ny SALON DES MINES androany. Teboka 3 no tsy maintsy havaozina anatin’izany ka tanjona ny hahazoan’ny rehetra tombony anatin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany.