Lalatiana RAKOTONDRAZAFY : namaky ady amin’ireo mpanakanto eo anivon’ny OMDA

0

Nahitsy ny fanambarana izay nataon’ireo mpanakanto androany ho an’ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina mahakasika ny zava-misy eo anivon’ny OMDA izay mampifanolana ny roa tonta. Nambaran’izy ireo tao anatin’ny fanambara fa tsy mankasitraka sy tsy maniry ny ho eo ambany fiahian’ny Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZADY intsony izy ireo ary nanamafy ny tokony tsy hitikitihana ny OMDA aloha ny Minisiteran’ny Kolontsaina.