Accueil Economie Lavanila : hotohizana ny fanatsarana ny seha-pihariana

Lavanila : hotohizana ny fanatsarana ny seha-pihariana

0
Lavanila : hotohizana ny fanatsarana ny seha-pihariana

Nitondra fanazavana momba ny resabe mahakasika ny seha-pihariana Lavanila amin’izao fotoana ny ny minisitry ny varotra, ny indostria sy ny asa tanana androany. Isan’izany ny mahakasika ny fahasamihafan’ny datim-piotazana izay tsy tokony hiteraka olana manodidina ny seha-pihariana. Misy ny fangatahana manokana azo ataon’ny tantsaha manana lavanila matoy hitoy izany alohan’ny datim-piotazana. Eo ihany koa ny mahakasika ny vidin’ny Lavanila izay namafisin’ny minisitra tomponandraikitra fa mipetraka araka ny tokony ho izy.