Lavanila : Mila fongorina ireo mpividy ny vokatra alohan’ny fiotazana.

0

Taorian’ny tranga nahafatesan’olona telo avy amin’ny fianakaviana mpamokatra sy mpamboly lavanila ny faran’ny herinandro lasa teo tao Nosy Varika, mitaky ny hampitombohana ny isan’ny mpitandro ny filaminana ny solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana. Ny fahafantarana ireo mpividy ny  vokatra mialoha ny fotoana no hanampy amin’ny fampihenana ny halatra lavanila eny an-tsaha raha ny fanazavana.