Lehiben’ny PAF Ivato Seranana : « ireo mpiara-miasa no miketrika ny lesoka »

0

Vokatr’ilay horonan-tsary nampiseho ny gaboraraka amin’ny fanaraha-maso eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato dia nanambara ny avy amin’ny polisy miaro ny sisin-tany sy ny habakabaka na ny PAF (Police de l’air et des frontières) fa ireo tokony ho mpiara-miasa amin’izy ireo avy amin’ny SAMADA no matetika voarohirohy.