Lehiben’ny tambazotra mpanondrana rongony : tratra omaly

0

Tratra omaly ilay teratany Afrikana antsoina hoe Papa Freddy, lehiben’ny tambazotra mpanondrana rongony maherivaika an-tsokosoko. Ny tenany izay isan’ny tomponantoka tamin’ny fahatratrarana rongonim-bazaha 46kg tao Toamasina ny volana Aprily teo. Mitohy ankilany ny fanadihadiana mikasika ireo mpiray tsikombakomba azy.