LFR 2017: 600 pejy nodinihina indray alina monja

0

Solombavambahoaka 73 no nandany tsy nanisy fanitsiana ny volavolan-dalàna laharana 012 -2017 na ny LFR (Loi des finances rectificatives 2017) tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro omaly. Indray  alina monja no nandinihin’ireo solombavambahoaka ity volavolan-dalàna izay nahatratra 600 pejy mahery kely ity.