Lisi-pifidianana vonjimaika : niakatra 5.9% ny isan’ny mpifidy

0

Nahitana fiakarany 5.9% ny isan’ireo mpifidy voasoratra anarana tamin’ity taona 2018 ity raha ampitahaina ny tamin’ny taona 2017, raha ny lisitra vonjimaika navoakan’ny CENI omaly. Manana 20 andro ny mpifidy hanamarina ny anarany. Aorian’ny 15 Aprily kosa araky ny tetiandro no hivoaka ny lisitra tena izy.