Loholona RAKOTONDRAINIBE Michel : mila vahaolana mahomby ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka

0

Tsy vitan’ny fizarana sakafo, izay ho lany anatin’ny iray andro ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka hoy ny loholon’i Madagasikara RAKOTONDRAINIBE Michel nandritra ny fihaonan’ny Antoko tamin’ireo vahoaka tao amin’ny Kaominina Anosizato, distrikan’Atsimondrano. Tsy manana vina sy drafitra mazava ny mpiotndra ankehitriny ho fitsinjovana izay sosialim-bahoaka izay, anton’ny zava-misy ankehitriny hoy ny nambarany.