Loholon’i Madagasikara : vonona hiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana

0

Vonona ny hifanohana amin’ny fahefana mpanatanteraka hisian’ny fampandrosoana marina ny firenena ny Loholon’i Madagasikara vaovao. Ankoatran’ny fandinihana sy ny famolavolana lalàna,  ho jerena manokana ny lafiny fiahiana  ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana hisian’ny tena fampandrosoana marina araka ny fanazavana.