Lozam-pifamoivozana tao Ankazobe : Olana teo amin’ny fiara no namoizana ain’olona 20 mahery

0

Olona maherin’ny 20 no namoy ny ainy, nisy ireo kila tanteraka, am-polony naratra. Izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ny sampana tanora Kristiana sy Sampati FJKM synodam-paritany Soavinandriana, faritra Itasy omaly alina. Ny Talata hariva no tonga teny amin’ny HJRA ireo niharam-boina, nihazo an’Itasy ireo razana.