Madagasikara – Vondrona Eoropena : mihamafy ny fiaraha-miasa

0

Nihatsara ny fiarahamiasan’ny vondrona Eoropeana sy ny Fanjakana Malagasy araka ny nambaran’ny masoivohon’ny vondrona Eoropeana nandritry ny andro faharoan’ny fanamarihana ny herinandron’i Eoropa androany tetsy Analakely. Tetikasa maro no tanterahana amin’ny alalan’ireo famatsiam-bola samihafa, famatsiam-bola izay namafisin’ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy fa tsy trosain’i Madagasikara.