MAE : mihoatry ny 1600 ireo teratany Malagasy tsy maintsy hampodiana an-tanindrazana

0

Mihoatry ny 1600 ireo teratany Malagasy any ivelany tsy maintsy haverina eto an-tanindrazana. Efa eo am-pelatanan’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny sy ireo Masoivoho isan-karazany ny lisitra ka miankina amin’ny toe-draharaha sy ny fahasarotana iainana any amin’ny firenena no hametrahana ny laharam-pahamehana amin’ny fampodiana azy ireo. Ny 15 Aogositra ho avy izao ny fampodiana voalohany araka izay fanapahan-kevitra ho raisin’ny Minisitera.