Mananjary : manampy ny kaominina amin’ny fanatsarana ny lalana ireo fikambanan’ny tanora

0

Nirotsaka an-tsehatra nanampy ny eo anivon’ny kaominina Mananjary amin’ny fanamboaran-dalana ao amin’ny Fokontany Analanjavidy ireo tanora mivondrona ao anatin’ny fikambanana FITANAMI. Ny fahatsapan’izy ireo fa manana adidy amin’ny fampandrosoana izy ireo no antony namporisika azy ireo nanao izao asa izao.