MATSF : miroso ny fanatsarana ny sehatry ny fananan-tany sy ny fanajariana ny tany

0

Manodidina ny 20% n’ny tany eto Madagasikara no voaharo tamin’ny alalan’ny asa momba ny sécurisation foncière hatreto, araka ny taha  avy amin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany. Nahazoana vokatra tsara ireo ezaka nataon’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny MATSF, noho ireo fizarana boky tany sy karatany faobe tontosa. Ankoatra izay, tetikasa maro miompana amin’ny fanajariana ny tany ihany koa no nahafahana nampandroso ny faritra maro manerana ny Nosy.