Matso teny Mahamasina : Tsy tonga ny mpanohitra.

0

Tsy mbola mipetraka ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara raha ny nambaran’ny Praiminisitra teo aloha Omer Beriziky androany. Raha toa ka tonga nanatrika ny lanonana ny ankamaroan’ny  masoivoho vahiny miasa eto amintsika, ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka ihany kosa no filoham-pirenena teo aloha nanatrika ny lanonana teny Mahamasina omaly. Nihena ihany koa ankoatra izay ny tetibola nanatanterahana ny matso omaly.