Menabe – Ampanihy : manodidina ny 300 Ha ny velaran-tany ahitana ireo valala efa foy

0

Manodidina ny 300 Ha amin’ny velaran-tany ao Ampanihy faritra menabe no hahitana ireo valala efa foy ankehitriny raha ny nambaran’ny teo anivon’ny Ivontoeran’ny famongorana ny valala eto Madagasikara. Miisa 3 hatreto ireo faritra nandrenesana fitaraianana momba izany. Efa misy manoloana io ny fandraisana andraikitra amin’ny famonohana ireo valala foy hisorohana ny fihanak’izany ho adihany raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra.