Mialy RAJOELINA : nahazo mari-pankasitrahana maha reny mpiahy ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.

0

Tontosa androany ny fanolorana marim-pankasitrahana maha reny mpiahy ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza an-dRamatoa Mialy RAJOELINA vadin’ny Filoham-pirenena. Mandray andraikitra lehibe amin’ny fanentanana ireo ray aman-dreny malagasy amin’ny fanaovam-bakisiny ny tenany.