Minisitry ny Atitany : tsy fotoana fambolena krizy sy korontana intsony izao

0

Tsy fotoana fambolena krizy ny korontana eto amin’ny firenena intsony izao hoy ny minisitry ny Atitany manoloana ny mpanao gazety androany. Ity farany izay nanamafy fa tsy marina akory ny filazana fa nisy ny baiko manery ireo mpiasan’ny ministera haka ny kandida etsy na ny kandida eroa. Manana lalàna sy ny rafitra afaka mitsara isika ka tokony hametraka fitoriana ireo manana olana momba ny valim-pifidianana.