MMM : manameloka ny fanitsahana ny lalampanorenana

0

Manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena, ny fanitsahana ny didy aman-dalàna ataon’ny mpitondra, ny fanaovana tery vay manta ny fandaniana ny lalàna momba ny fifidianana, sy ny tsy fanajana ny zon’olombelona amin’ny endriny maro ataon’ny mpitondra ankehitriny , namoaka fanambarana ny antoko Malagasy miara miainga manameloka ireo. Tokony ho mailo ny rehetra amin’ny lalàm-pifidianana izay terena ho lanian’ny solombavambahoaka ankehitriny.