Mpaka an-keriny : miisa 11 ireo voasambotra

0

Olona miisa 11 ao anatin’ny tambazotra mpanao Kidnapping eto amintsika no saron’ny mpitandro filaminana. Niaiky ny heloka vitany ireo taorian’ny fanadihadiana sy ny famotorana natao. Fantatra ihany koa ny toerana fametrahan’izy ireo ireo olona alaina an-keriny sy ny fomba fiasan’ireo jiolahy.