Tsy nahazoam-baliny hatreto ny fitakiana fampiakarana ny tambin-karama nataon’ireo mpianatra ho mpitsabo raha ny fanambarana nataon’izy ireo androany. Manomboka ny zoma ho avy izao, hitsahatra amin’ny asa ary hanatanteraka fitokonana faobe izy ireo raha tsy misy ny vahaolana haroson’ny fanjakana.