Mpifindra monina : tsy maharaka intsony ny fiara avy any atsimo

0

Tsy maharaka intsony ny fiara avy any atsimo mitondra ireo mpifindra monina hihazo ny tapany avaratry ny Nosy. Mifindra fiara im-betsaka araka izany ireo mponina avy any atsimo ka maro amin’izy ireo no tsy tody amin’ny toerana haleha noho izy ireo lany vola sy lany vatsy. Olona manodidina ny 60 tonga halina avy any Atsimo no mitoby eo amin’ny fasan’ny karana amin’izao fotoana