Mpitondra HVM : mandika lalàna hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany

0

Modian’ireo mpitondra HVM sy ireo Solombavambahoaka mpanohana ny fitondrana tsy hay sy adika vilana ilay fanapahana laharana faha-18-HCC/D3 tamin’ny Zoma faha-25 may lasa teo amin’ny fanendrena izay ho Praiminisitry ny governemanta iraisana. Hatrany amboalohany ka hatramin’ny farany dia minia mandika lalàna hatrany ny mpitondra HVM.