Nike : vonona hanao ny fampitaovana ho an’ny Barean’i Madagasikara

0

Naneho ny fahavononany amin’ny fampitaovana sy ny fampiakanjoana ny Barean’i Madagasikara ny marika fanta-daza maneran-tany Nike. Omaly no nahafantatra izany ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Taranja baolina kitra. Andrasana manoloana izany ny fanapahan-kevitra horaisin’ny FMF momba ity « équipementier » ity.