Nosy Be : mety hisokatra ny volana Oktobra ny sidina

0

Notanterahina androany tao Nosy Be ny fihaonan’ny FIlohan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ireo mpandraharaha ara-toekarena misehatra eo amin’ny fizahantany. Teboka maro no nangatahan’ireto farany vahaolana amin’izao fiatrehana ny valan’aretina izao sy ny fanarenana indray ny toekarena aorian’ny Krizy ara-pahasalamana. Tsy maintsy ho jerena avokoa izany hoy ny filoha ary isan’ny hatao laharam-pahamehana amin’izany ny fizahantany ao Nosy Be. Mety hisokatra ny volana Oktobra ho avy izao ny sidina ao an-toerana.