Ntsay CHRISTIAN : tsy ekena intsony ny fisian’ny tsy fandriampahalemana

0

Tsy ekena intsony ny hisian’ny distrika ho latsa-danja amin’ny fametrahana fandriampahalemana sy amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny hoy ny Praiministra Lehiben’ny governemanta, nandritra ny fitokanana ny toby “Centre spécial d’aguerrissement opérationnel” tany Beroroha, faritra Atsimo Andrefana. Fitokanana, izay nambarany fa mariky ny firosoana amin’ny paikady entina hampandrosoana sy hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana.