Olana fahatapahan- drano : hivaha tsy ho ela

0

Hivaha ao anatin’ny 2 volana farafahatara ny olana fahatapahan-drano, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ho raisin’ny fanjakana an-tanana ny fanafainganana ny famahana ny olana izay mampikaikaika ny vahoaka tato ho ato eto Antananarivo sy ny manodidina. Olana hatramin’izay, hoy hatrany izy ny tsy fisian’ny famatsiam-bola efa ho 15 taona ho fanatsarana ny famatsaian-drano eto an-drenivohitra.