Orinasa mpanao lalana : miandry sonian’ny fiadidiana ny Repoblika hahazoana ny vola

0

Miandry ny sonian’ny fiadidiana ny Repoblika hahafahana misitraka ny vola ankehitriny ireo orinasa mpanao lalana araka ny antso avo nataon’izy ireo teny Antaninarenina ny atoandro teo. Efa nolalovana avokoa ireo an-tanan-tohatra rehetra voakasik’izany hoy izy ireo, ka tsy tokony hisy antony hafa tsy hahafahana mamoaka ny vola.