Accueil Politique Orinasa mpanao lalana : misy orinasa 50 hafa hisitraka ny volany

Orinasa mpanao lalana : misy orinasa 50 hafa hisitraka ny volany

0
Orinasa mpanao lalana : misy orinasa 50 hafa hisitraka ny volany

« Avoahy ny volanay » hoy ireo orinasa mpanao lalana izay niverina nanao hetsika fitakiana teny Antaninarenina androany. Antony, nahare feo izy ireo fa hisy orinasa 50 hafa indray hisitraka ny volany, izay mbola tsy fantatra mazava hatreto ny anaran’ireo orinasa sy ny fepetra notakiana hahafahan’ireo orinasa 50 ireo misitraka ny volany. Tsy tokony hisy fanavahana hoy izy ireo ny fandoavana ny vola indrindra taorian’ny Audit izay natao.